FIKAMBANANA CARTEL: Miaro ny fandaharan’asa IEM

“Eken’ny mpamatsy vola sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fandaharan’asa IEM, koa maninona no lazaina fa fisolokiana ? ”. Io no fanontaniana napetraky ny fikambanana  Cartel tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, androany  19 jona 2019 manoloana ny fanehoan-ke vitra nataon’i Manandafy Mahery Lanto (MLM) fa “fisolokiana ny IEM”.  Nitory azy « ny mpanolontsaina manokan’i Prezidan’ny Repoblika » misahana ny “émergence de Madagascar”, Raboanarijaona Holijaona. Hiakatra fitsarana rahampitso 20 jona 2019, amin’ny 8 ora maraina eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Cartel, Maître Razanatahiana Florence fa manome tanana ny fikambanana rehefa resaka fampandrosoana sy zon’olombelona.  “Manohitohina ny fiandrianam-pirenena sy fanalam-baraka io fanehoan-kevitra io”, araka ny fanazavany.

Fikambanana an-jatony no mivondrona ao amin’ny Cartel ary manohana ny fandaharan’asa IEM. Niteraka tsy fahatokisan’ireo mpikambana iny fanehoan-kevitra, hoy hatrany Maître Razanatahiana Florence.  Nilaza ihany koa izy fa “baiko avy amin’ireo vondron’ny mpandraharaha amin’ny solika, te hiaro ny tombontsoany sy te hametraka ny lalàna mifehy ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izao tranga izao”. Ho taterina eto ny tohiny ny raharaha.

Lynda A.