FIKAMBANANA ANK’IZY: Nizaha maimaim-poana ny toe-pahasalamana

Ankizy nirenireny teny an-dalam-be miisa 300 izay beazina ao amin’ny akany Tsiry an’ny ONG Manda nandalo fizahana ara-pahasalamana. Mizara telo ny sokajy misy ireo ankizy ireo ao amin’ny  Akany Tsiry dia ny “préscolaire”, ny mianatra mamaky teny sy manoratra ary ny mianatr’asa. Dokotera roa vavy avy amin’ny fikambanana “Ank’izy” no nanolo-tena hizaha ny fahasalaman’izy ireo maimaim-poana ny 29 janoary sy ny 4 febroary 2019 teo. Nambaran’i dokotera Anjarasoa Nandrandraina fa ny 98%-n’ireo ankizy nozahana dia simba nify avokoa. Nisy mpirahavavy mpiray tampo ihany koa no fantatra fa misy atody tarimo ary atahorana hifindra amin’ny hafa ny otrik’aretina raha tsy voatsabo haingana. “Mbola miandry ny valin’ny fitiliana vao afaka milaza izahay hoe: inona no mahatonga an’ilay atody tarimo”, hoy hatrany ny fanazavan’i dokotera Anjarasoa. Nomarihin’ny tomponandraikitry ny “infirmerie” an’ny Akany Tsiry, Henintsoa Riana Ramangalahy fa ny ONG Manda no mandray an-tanana ny lany rehetra amin’ny fitsaboana toy ny fanafody, ny fitiliana an’ireo ankizy mila izany.

An-tsitrapo

Vao voalohany ny ONG Manda no niantso dokotera hizaha ny fahasalaman’ireo ankizy beazina ao amin’ny akany. Tany amin’ny CSBII no nitondrana ireo ankizy taloha. Mifameno ny asa ataon’ny ONG sy ny fikambanana “Ank’izy” ka izany indrindra no nitsirian’ny fiarahamiasa. Asa lehibe iandraketan’ny ONG Manda ny fampidirana ireo ankizy nirenireny teny an-dalam-be eny anivon’ny fiarahamonina. Izany indrindra no handraisan’ny ONG an-tanana ny fanabeazana azy ireo mba hahay hamaky teny sy manoratra, hahay hiaina, hitandro ny fahadiovana. Eo ihany koa ny fampiofanana arak’asa azy ireo mba ahafahan’izy ireo miasa na mamorona asa ho azy manokana fa tsy hangataka eny an-dalambe fotsiny.

Ho an’ny fikambanana Ank’izy indray dia miezaka manampy ny ankizy ny fikambanana rehefa mbola azo tanterahina. Tanora, mpianatra eny ambaratonga ambony mandranto ny sampam-piofanana fitsaboana, asa sosialy, tontolo iainana, teny… no mivondrona ao anatin’ny fikambanana. Sehatra maro no hiasan’izy ireo toy ny fampianarana momba ny lakozia, ny tontolo iainana, ny teny anglisy, ny zava-kanto sy ny asa eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP). An-tsitrapo avokoa no hanaovan’izy ireo izany. Matoa betsaka ny fikambanana mirodorodo miahy ny ankizy eto amintsika dia mbola marefo izany ny fanajana ny zon’ny ankizy.

Lynda A.