FIKAMBANANA ANK’IZY: Mitohy ny asa an-tsitrapo

Nanatanteraka hetsika roa lehibe ny fikambanana Ank’ Izy ny asabotsy 20 jolay 2019 lasa teo. Fanavaozana ny toerana fitaizana zaza nania eny Anjanamasina tamin’ny alalan’ny fandokoana ny toeram- pidiovana sy toeram- pivoahana  ny voalohany. Ny fizarana fitaovan- dakozia ho an’ ny Ankany Avoko Ambohidratrimo kosa ny faharoa. Izany rehetra izany no tanteraka dia noho ny fiaraha- miasa miaraka tamin’ny « Espace Acceuil et Loisir”.

Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra dia miezaka manampy ny ankizy ny fikambanana rehefa mbola azo tanterahina. Tanora, mpianatra eny ambaratonga ambony mandranto ny sampam-piofanana fitsaboana, asa sosialy, tontolo iainana, teny… no mivondrona ao anatiny. Sehatra maro no hiasan’izy ireo toy ny fampianarana momba ny lakozia, ny tontolo iainana, ny teny anglisy, ny zava-kanto sy ny asa eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP). An-tsitrapo avokoa no hanaovan’izy ireo izany.

Lynda A.