FIKAMBANANA AFAMPO: Nahita hevitra hampivoarana ny maha olona

Tsy ny vatana ihany no maha olombelona ny olombelona fa eo ihany koa ny saina, ny fanahy, hoy ny filohan’ny fikambanana AFAMPO (Antoky ny Fanabeazana ny Mponina), Tavandrena Paulin tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 31 mey 2019. Ny fikambanana AFAMPO no hitan’ ireto vondrona mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ireto hanandratana ny olombelona amin’ny maha olona azy. “Tsapa fa mamboly sy miompy mba hohanina ny ankamaroan’ny tantsaha. Indraindray aza tsy ampy atao sakafo ny vokatra satria tany kely fotsiny no hambolena”. Ao anatin’ny asa ho tanterahan’ny fikambanana ny famporisihana ny mponina eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra hamokatra ary ho lasa seha-pihariana mampidi-bola ny fambolena, ny fiompiana, ny asa tanana…

  Araka ny fanazavan’ny mpanara-maso ara-bola, Rakotomalala Sahondra dia tsy hijanona amin’ny fanentanana ny mponina hamokatra ihany no ataon’ny fikambanana fa hiezaka hitady lalam-barotra ho azy ireo. Fa mialoha izany dia dingana ho ataon’ny AFAMPO ny fidinana eny ifotony, hijerena ny sakana mahatonga ny fambolena sy ny fiompiana tsy mampandroso ny maha olona. Eny Ilafy no hanombohana izany satria eny ny foiben’ny fikambanana ary hiitatra tsikelikely any amin’ny faritra hafa izany.

Lynda A.