FIJALIANA RANO AO BERONONO: Amin’ny 3 maraina ny mponina no mandeha maka rano anaty ala rofia

Beronono – Ambondromamy : vehivavy avy naka rano tany anaty ala rofia

Renim-pianakaviana miisa telo (3), lalimaso, mipetraka eo ambondin-trano. Amin’ny 10 maraina ny andro. Ny roa (2) miampofo ny zanany. Maka aina izy ireo fa avy nifoha tamin’ny 3 maraina naka rano tany amin’ny loharano anaty ala rofia, adiny 1 miala eo amin’ny toeram-ponenan’izy ireo. Mponina ao amin’ny fokontany Beronono, kaominina Ambondromamy, distrikan’i Ambato Boeny ireto renim-pianakaviana ireto. « Amin’ny 3 maraina izahay no mandeha maka rano mba metimety fa raha vao tara an’izay dia efa maloto. Rehefa tsy mahazo rano metimety dia lasa ampandriana amin’ny siny izay vao afaka andrahoana sakafo. Izay fototry ny zavatra mampijaly anay eo : ny rano tsy misy », hoy Manja, renim-pianakaviana, 45 taona eo, miaraka amin’ny feony mikasokasoka.

Nanomboka ny volana jolay 2025 ny mponina ao Beronono no voatery mandeha lavitra no maka rano handrahoana sakafo, hidiovana, hanasana lamba. Talohan’izay anefa mandeha roa (2) minitra miala ny trano fonenana dia efa misy rano mandeha. Tonga ao an-tanan’izy ireo ny rano avy amin’ny loharano anaty alan-drofia. Io loharano io ihany koa no manodraka ny tanimbary sy ny tanimboly anarivony hektara.

Manja : mponina ao Beronono

« Teto izahay taloha no naka rano. Na hoatran’izao aza dia maharaka anay mihitsy ny rano teo amin’io manga io fa amin’izao izy tsy misy. Tamin’ity taona ity no tena nampijaly ny rano fa tamin’ny taona lasa mbola netinety. Fa tamin’ity tena tsy nisy, tsy tonga taty intsony ny rano », hoy i Manja sady manondro ny toerana nangalany rano taloha.

Miara-misalahy maka rano any anaty alan-drofia ny lahy sy ny vavy. Ny vehivavy mampiditra ny rano anaty « bidon ». Ny lehilahy mitaona ny « bidon » eny amin’ny sarety. « Rano sivy (9) bidons no entina isaky ny maka. Isaky ny telo andro no maka rano », hoy ity renim-pianakaviana ity.

Nambarany fa mangady vovo ihany zareo mba angalana rano androana. « Mangady vovo eny amin’ny sisiny izahay mba androana. sotroina mihitsy aza », hoy izy.

Tsy manana sarety hitaterana rano avy amin’ny alan-drofia ny fianakavian’i Tafitasoa Zoeline, renim-pianakaviana monina ao Beronono. Eny amin’izay toerana akaiky no maka rano. Mifoha amin’ny 2 sasany maraina izy mivady raha maka valo (8) jerricanes. « Izahay miompy sady misy zaza dia tsy maintsy mitatitra amin’ny loha. Izahay tsy manana sarety sady tsy manana omby. Isan’andro na farafaharatsiny isaky ny roa andro no mitatitra rano. Tsy maintsy miezaka satria iny no foto-pivelomana », hoy izy.

Ny vokatry ny faharinganan’ny ala rofia

Noho ny fahasimban’ny ala, indrindra ny hazon-drofia no mahatonga ny fijaliana rano ao Beronono. « Tsy tonga aty ny rano avy anaty ala rofia satria ilay sisin’ala efa be ny hazo maty. Tonga ny fasika dia tototra masondrano. Nahatonga nampihena ny rano dia vokatry ny fahapotehan’ny ala : maty ny renin-kazo. Iny no nahavoa azy. Tsy hay na vokatry ny andro maina no nahafaty ny hazo na vokatry ny saribao natao », hoy i Manja. Nambarany fa marobe ny hazo nidaboka vokatry ny rivodoza farany. « Tototra ny masondrano dia tsy tonga aty amin’izay ilay rano », hoy izy.

Tafitasoa Zoeline : mponina ao Beronono

Nambaran’i Tafitasoa Zoeline fa any anaty atiala no ivoahan’ny loharano. « Simba ny loharano satria nangadian’ny olona raphia dia lasa tototra amin’izay ilay rano tokony ho tonga mankaty. Matetika mantsy vidian’ireo any Mahajanga ny rofia dia alain’ny olona », hoy izy.

Mitazona ny rano sy ny hamandoana amin’ny tany ny rofia. « Mitondra rano ilay raphia. Manjary ilay mampiboiboika rano amin’izay tototry ny fasika satria ilay tany madio. Izahay aloha dia tena mahatsiaro mijaly mihitsy amin’ilay rano. Ny olana amin’izay tsy izahay avy eto no manimba ilay zavatra fa olona ivelan’ny tanana. Izahay aloha dia tena mahatsiaro mijaly mihitsy amin’ilay rano », araka ny fanazavan’i Zoeline.

Vahaolana amin’ny fijaliana rano

Miteraka havizanan’ny vatana sy fihenan’ny vokabary ny fijaliana rano ao Beronono. « Izany feo mikasokasoka izany midika fa vizana aho. Marary daholo ny atoka amin’ilay mandeha miloloha an’iny rano iny. Lavitra ilay toerana hakana rano dia tsy maintsy mitondra miloloha rehefa mody. Tsy mifanaraka amin’ny aina ilay zavatra entina fa tsy maintsy misotro ny tena dia tsy maintsy entina », hoy i Manja manazava ny fiantraikany ny fahalaviran’ny toerana fakana rano.

« Tena reraka ! Raha ohatry ny vadiko izao dia tena reraka be, voan’ny tazo. Ny ahy ny atokako indray no tratra satria azon’ilay mitatao », hoy i Zoeline.  Nilaza izy fa misy hozatra mivokona ao ambany helikan’ny vadiny vokatr’ilay milanja rano.

Raha amin’ny lafiny fambolena, lasa paika na tsy misy voany ankamaroan’ny vary jeby (vary maintany na vary volena tamin’ny volana martsa ary jijaina ny volana oktobra). « Lasa tsy manjarinjary ny fambolena vokatr’ilay rano. Mahalana foana ny olona nampiaka-bary satria rano tsy ampy dia paika ny vary. Nampiakatra 30 gony izao tamin’ny mbola nisy rano ilay tany kelikely nambolena. Tamin’izao izy 10 gony fotsiny. Nariana any an-tanimbary mihitsy ny 20 gony fa tsy azo hohanina. Ny omby no mihinana azy », araka ny fanazavan’i Manja.

Vary telo gony kosa ny an’i Zoelina no paika satria maina ny tany. « Na daba iray aza tsy nisy. Vary telo gony nariana. Namboly anana indray natao ivelomana saingy zara raha namokatra fa maina ny tany Angadiana ny vovo fa tsy misy rano. Ilay vovo angadiana mba misimisy kely ny rano, ny omby indray no misotro azy » hoy izy. Tsy namboly intsony ny fianakavian’i Zoeline taorin’izay. Niompy akoho amam-borona  indray zareo saingy matin’aretina ny 40 isa. « Mila jerenareo akaiky izahay fa tena mijaly sady sahirana. Ny fivelomana eo fa ny rano indray koa mbola manampy trotraka ny fijaliana. Misosoka ihany ny fijaliana ».

Beronono : Filoha lefitry ny fokontany

Ny fanamboarana ny tohandrano sy ny fambolen-kazo, toy ny fambolena zanaka rofia no vahaolana hitan’ny mponina ao Beronono mba ahafahan’izy ireo misitraka rano indray. « Rehefa vita ny tohandrano dia afaka mamokatra izahay satria tanimbary anarivony hektara no tondrahan’ity rano ity », hoy ny filoha lefitry ny fokontany Beronono, teo amin’ilay loharano anaty alan-drofia. Kaominina sy fokontany maro ao amin’ny faritra Boeny no mijaly rano tamin’ity taona 2025, toy ny fokontany Befotaka, Ambalabaksiny, Ambohimiarina, Andranomandevy…

Anisan’ireo fokontany iasan’ny tetikasa PADDI (Progamme d’Appui au Développement Durable Intégré) ireo fokontany ireo. Fandaharanasa manao tantsoroka ny fampivoarana sy fampifandrasaina ireo sehatra fampandrosoana azo lovainjafy ho an’ireo mponina eny ifotony sy ho fanarenana ny rohivoahary ny PADDI. Hampihenana ny tsindry amin’ireo faritra arovana no tanjon’ny tetikasa. Ny GIZ no mitantana izany. Mamatsy vola ny tetikasa ny ministera federaly alemana misahana ny fiarahamiasa ara-ekonomika sy ny fampandrosoana (BMZ).

Ao anatin’ny sahan’asa ho tanterahan’ny tetikasa ny fanajariana ireo tontolo mamokatra. Kaominina 19 manodidina faritra arovana miisa efatra (4) ao amin’ny faritra Boeny sy Diana (Ankarafantsika, Ankarana, Analamerana, Montagne d’Ambre) no misitraka ny tetikasa. Hampihenana tsindry mahazo ireo faritra arovana no tanjon’ity fandaharan’asa ity. Nanomboka ny volana jolay 2024 ny PADDI ka hatramin’ny volana jona 2027 ny PADDI.

 Lynda A.