FIFIDIANANA-FEDERASIONA BAOLINA KITRA: Manana telo andro hanaovana fitarainana ireo kandida

Mizotra araky ny tetiandro novolavolaina ny fifidianana ho filoha sy ny komity mpanatanteraky ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF). Nampahafantarin’ny “comité de normalisation” (CDN), amin’ny maha mpikarakara ny fifidianana azy,  omaly 23 jolay 2019 teny Isoraka ny lisitr’ireo kandida vonjimaika. Enina ny kandida nanatitra ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiany ho filohan’ny federasiona.  Ny dimy tamin’ireo, Andriamiasasoa Doda, Mohamad Abdillah, Arizaka Rabekoto Raoul, Rasoamaromaka Herilalaniaina ary Rakotomamonjy Neypatraiky no nahafeno ny fepetra takiana. Tsy nanara-dalàna kosa ny faha-enina satria telo  andro tao aorian’ny fetr’andro hanaterana dosie izy vao tonga nanatitra ny azy. Fanampin’izay tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny ligy telo ny tenany.  Ho an’ny komity mpanatanteraka indray dia 37 ny kandida ka ny 30 tamin’ireo no voatazona.

Ny fito ambiny tsy nahafeno ny fepetra. Tao no tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny ligy roa. Nisy tamin’izy ireo no nampiasa fitombokase sy sonia hosoka », hoy filohan’ny CDN, Atallah Béatrice. Ireo kandida avy any amin’ny faritra Ihorombe no nahatrarana izay. Rehefa nojerena ny fitombokasen’ny filohan’ny ligy dia ilay taloha no nipetaka tamin’ny antontan-taratasy kanefa efa niova io fitombokase io ka izay no nahafantarana azy fa hosoka, hoy hatrany ny filohan’ny CDN. Manome alalana ny ligy voakasik’ity fanaovana hosoka ity ny CDN hametraka fitoriana.

Manana telo andro ireo kandida hanaovana fitarainana fampakarana raha tsy mahafa-po azy ny fanapahan-kevitra navoakan’ny komity mpikarakara ny fifidianana. Ao anatin’ny dimy andro kosa no handinihan’ny CDN  izany ka aorian’izay vao havoaka ny lisitry ny kandida raikitra, izany hoe ny 01 aogositra 2019. Marihina fa ny CDN no hiantoka ny fandaniana manontolo  ho an’ny mpifidy dia ny filohan’ny ligy miisa 22 mandritra ny fifidianana atao ny 24 aogositra 2019 any Ifaty Toliara.

Lynda A.