Fifidianana Ben’ ny Tanana: Nalaina nifidy ny olona.

Fifidianana nahitana lesoka be indrindra ny fifidianana Ben’ny Tanana farany teo. 20% ny tahan’ ny mpifidy  nanerana ny biraom-pifidianana rehetra. Anisany nampalaina ny olona ny tsy fahatokisana intsony izay mitondra eo.  Ankoatra izany, maro tamin’ ireo mpifidy tamin’ ny fifidianana filoham-pirenana sy solombavambahoaka no tsy voasoratra tao anaty lisitra. Misy mihitsy aza kandida sy ireo mpanara-dia aminy tsy hita tao. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fahampian’ ny fanentanana nataon’ ny CENI-T.

Be ny ahiahy tamin’ iny fifidianana iny. Anisan’ izany ny sihosiho mahakasika ny bileta efa voamarika. Nandeha ihany koa ny resaka fa hisy hanakorontana ny biraom-pifidianana sasantsasany amin’ ny fanisam-bato.

Tontosa soamantsara anefa ny fifidianana na dia teo aza izany rehetra.

 Kandida TIM, Lalao Ravalomanana no lany  Ben’ny Tanana teto Antananarivo Renivohitra. Norombahiny Rado Ramparaoelina, kandida TIM tamin’ ny 55% kosa ny kaominina Ampitatafika, araka ny valim-pifiadanana vonjimaika.

Lynda A.