FIFANINANA”LA PERSEVERANCE”: Nahazo ny “meilleurs performances” ny mpilomano avy ao amin’ny Club Managing

Montsana ny zava-bita telo. Notanterahana ny 13 desambra 2020 teny amin’ny dobo filomanosan’ny Esca Antanimena ny lalao famaranana tamin’ny fifaninana “La pérvérance” nokarakarain’ny Club Managing Sport Natation. Mpilomano telo tao amin’ny Club Managing no nahavita namontsana ny zava-bita tsara indrindra teo aloha. Teo amin’ny 50 metatra papillion, sokajy junior vehivavy dia vitan’i  Rabejaonina Antsa 29,9 segondra izany raha toa ka 30,08 segondra teo aloha. Sokajy Benjamin lehilahy dia montsan’i Andriamampionona Baritiana Mathieu  tamin’ny 4 minitra 43,73 segondra ny 400 metatra “nage libre” raha toa ka 4 Minitra 57,62 segondra izany teo aloha. Ho an’ny sokajy Benjamin vehivavy kosa indray dia 36,62 segondra raha 37,53 segondra izany teo aloha no nahavitan-dRazakatiana Finaritra ny 50 metatra “brasse”.

“Tsy nampoizina ilay izy satria tsara loatra ilay zava-bitako teo. Mbola hiezaka hatrany hanatsara izany”, hoy Bartian. “Efa nandrasako efa ela io zava-bitako io satria efa niomana aho”, hoy Finaritra. Raha ny fanazavany dia in-droa isan’andro izy no manao fanazara-tena, ny atoandro sy hariva. Roa herinandro talohan’ny fifaninana no nanaovany fanomanan-tena. Araka fanazavany hatrany dia telo taona teo izy no mpikambana tao club managing ary am-polony ny fandresena azony raha tamin’ny fifaninanana nasionaly.

Natao ity fifaninana ity ho fanamarihana ny faha-15 taonan’ny klioba, hoy i Yvannie Rabenitany, filohan’ny Club Managing Sport Natation.  “Persévérance no natao anaran’ny fifaninanana satria mbola mila mikiry hampiakatra sy hanatsara hatrany ny zava-bita. Isaorana manokana ny Mvola nanohana ny hetsika”, hoy izy. 83 isan’ny ankizy mpikambana amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny taona 2008 nankaty dia nandray nandray anjara tamin’ny « championnat du monde », « jeux olympiques » ny club managing ary efa  nahazo  ny « titre nationaux », ny « records nationaux » ary  ny «  meilleurs performances », hoy i Maître Doda, isan’ireo nanorina ny klioba .

Lynda A.