FIER MADA: Tokony hasongadina ireo voka-pikarohan’ny teknisiana.

Betsaka ny voka-pikarohana hitan’ireo teknisiana amin’ny sehatry ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Indraindray, herim-po very maina fotsiny anefa izany satria tsy asongadina. Kitro iray ahafahana mampandroso ny tantsaha ny famokarana anefa izy ireny. Manoloana izany indrindra, miezaka mampahafantatra ireo voka-pikarohana ireo amin’ny alalan’ny tsenabe toy ny FIER MADA ireo teknisiana ireo. Etsy ankilany, manampy ireo tantsaha hahita lalam-barotra ity hetsika iray ity.

« Toa mamokatra foana kanefa tsy mitombo harena”. Ho an’ny andiany faha-18, tanjon’ny mpikarakara ny fizarana traikefa ho azy ireo mba hisian’ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny famokarana fa indrindra ho an’ireo tantsaha.

Betsaka no nahazo tombontsoa tamin’ny tsenaben’ny vokatry ny tantsaha sy izay ilaina amin’ny famokarana ary ny fiainana eny ambanivohitra. Porofon’izany ny fitomboan’ireo mpandray anjara ary efa manakaiky ny salan’isa tamin’ny andiany voalohany mihitsy aza, hoy ny mpikarakara, Jacques RABEMANANTSOA.

Nomarihiny fa nahatratra hatramin’ny 500 ireo nandray anjara tamin’ny andiany voalohany ary 100.000 teo ny isan’ny mpitsidika.