FIDIRAN’NY VOKATRA AVY IVELANY: Poizina ho an’ny orinasa malagasy

Miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa eto an-toerana noho ny fisokafan’ny fifanakalozana ara-barotra. Mora noho ny vokatra vokarin’ny orinasa eto an-toerana ny entana nafarana avy any ivelany. Misy amin’ireo firenena no mandrisika ny indostria ao aminy hanondrana entana any amin’ny firenena hafa. Mahazo famatsiam-bola izay manao izany. Hany ka kely ny mason-karena ary midina ny vidin’entana. Anisany mampidina ny vidin’entana miditra eto amin’ny tsena anatiny ihany koa ny fifanarahana ara-barotra. Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly ny fahefam-pirenena miandraikitra ny ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC), Barthelemy fa aotra isan-jato ny hetra aloa  eny fadintseranana  raha ny entana avy  any Afrika Atsinanana noho  fifanarahana ara-barotra COMESA. Nanao izany fifanarahana izany i Madagasikara. Betsaka anefa ny orinasa malagasy no mitotongana noho ny fitombahan’ny vokatra avy ivelany.

Izay no mahatonga ny firenena matanjaka miaro ny indostria ao aminy. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana ara-barotra ny fepetra hiarovana ny orinasa. Ho fanampiana ireo orinasa malagasy, nisy atrikasa  fampiofanana ho azy ireo ny 12 novambra 2018. 50 teo ny mpandray anjara. Efa misy ny mpahay lalàna, mpisolo vava… hanoro ireo orinasa tra-pahavoazana amin’ny fandrafetana ny dosie ilaina. Nilaza i Barthelemy fepetra telo no azo hiarovana ny orinasa eo an-toerana dia ny “mesure de sauvegarde”, “mesure anti-subvention”, “mesure anti-dumping”.  Mba ahafahan’ny orinasa eto an-toerana mifaninana ohatra dia hangalana tataon-ketra ny entana miditra.

Lynda A.