Fiangonana Orthodoxe: « Tokony hanampy fa tsy mampianatra fotsiny »

Higadona eny Ivato amin’ny zoma ho avy izao ny patriarika Theodoros II hamangy ny fiangonana Orthodoxe eto Madagasikara. Fotoana lehibe ho an’ny mpino rehetra ao fiangonana Orthodoxe ity fivahinianany ity. Tonga hanokana ireo fotodrafitrasa vitan’ny fiangonana izy , toy ny fitaizana zaza kamboty eny Andoharanofotsy, hopitaly lehibe any Toliary, ny Oniversite any Manakara,…

Marihina fa fiangonana mino an’i Jesoa Kristy ho lohan’ny fiangonana ny  » Otrhodoxe » ary mampiasa ny baiboly. Mifanakaiky amin’ny foto-pampianaran’ny katolika ny an’ity farany fa ny mampiavaka azy dia mizara efatra lehibe ny fitantanana ny fiangonana maneran-tany. Manana safidy malalaka ihany koa ny pretra na hanambady na tsia. Lalana mahitsy ahafahana mankany an-danitra ny famaritana ny atao hoe: « orthodoxe » araka nambaran’ny Mon seigneur Ignatios Seunis. Mizara roa mazava tsara ny asa fanompoana ataon’ny fiangonana. Mitory ny evanjely ary manampy ny mpiara-belona.  » Tokony hanampy araka izay tratry ny hery ny fiangonana fa tsy hoe mitory ny vaovao mahafaly fotsiny ihany », hoy ity farany. Mandray anjara amin’ny fanasoavana ny vahoaka Malagasy ny fiangonana ary manao araka izay azony atao. Ao anatin’izany ny fanomezana ronono isan’andro ho an’ireo zaza miisa 800, ny toeram-pitaizana ireo beantitra tsy misy mpiahy eny amin’ny foiben’ny Orthodoxe Alasora ankoatra ireo izay hotokanana amin’ny fahatongavan’ny Patriarika Théodoros II. Tsy manda ireo tonga midodododo mitady fanampiana izy ireo. Manana toeram-pitsaboana ihany koa ny fiangonana ary maimaim-poana ny fizahana sy ny fanafody. Tsy manavaka antokom-pivavahana izy ireo amin’ny fanampiana ataony. « Nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny foibe Alasora ihany fa tsy mandray anjara ao anatin’ny sehatra politika izy ireo .

Lynda A.