FIA ANDIANY FAHADIMY: Seha-pihariana mahavelona ny fiompiana bibikely fihinana

Sakafo be otrikaina (protéine) ny bibikely fihinana (insectes comestibles). Afaka hohanin’ny olombelona na avadika ho sakafom-biby. Manampy amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy tsy fahampian-tsakafo ihany koa. Ny « sakondry » na « zanna madagascariencis » no tohankevitra nosafidian’i  Ratsaratahiry Bercampinau mba ahazoana ny diplaoma Licence.  Bibikely fihinana any amin’ny faritra Avaratr’i Madagasikara (SAVA, Diana, Sofia) ny sakondry. Bibikely monina any anaty ala izy,  ny zavamaniry mandady no sakafony.

Efa fihinan’ny razambe hatramin’izay ny sakondry saingy  tsy mbola misy miompy, hoy i Bercampinau, mpianatra avy ao amin’ny lalam-piofanana mandalina ny bibikely, eny amin’ny sekoly ambony momba fambolena eny Bevalala. Nanandrana niompy izy. Kabaro no nametrahany azy. « Tsotra kely ny fiompiana azy, manaja tontolo iainana, tsy mila rano, tsy mila sakafo. Sady vokatra be ny kabaro no nahazo sakondry be dia be aho », hoy izy. Endasina no tena maha tsara azy ity fa afaka andrahoina miaraka sakafo hafa. Maro ireo mpisehatra amin’ny fiompiana bibikely fihinana no mandray anjara amin’ny Foara iraisampirenena ho an’ny fambolena sy fiompiana ary jono (FIA), andiany fahadimy. Notanterahina nandritra Foara, ny 23 septambra 2023 teny amin’ny Expo Forello Tanjombato ny fihaonambe iresahana mikasika ireo karazana bibikely azo avadika ho sakafo (Fiham). Mikarakara izany ny Gasy insectes comes­tible (GIC).

Lynda A.