FIA ANDIANY FAHADIMY: Ampahafantarina mandritra ny 4 andro ireo seha-pihariana mbola azo ampiasam-bola

Mbola betsaka seha-pihariana azo hanodinam-bola eto Madagasikara raha amin’ny lafiny fambolena, fiompiana ary jono saingy tsy betsaka no mahalala izany. Ho velabelarina mandritra ny Foara iraisampirenena  ho an’ny fambolena, fiompiana ary jono (FIA) izany. Nanomboka omaly 21 septambra  ary tsy hifarana raha tsy ny 24 septambra 2023, eny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato ny andiany fahadimy.  Fampirantiana ireo vokatra azo avy amin’ny fambolena sy fiompiana  ary jono,  ireo sehatra hafa mifameno amin’izy telo ireo, fanomezana vaovao momba izany, fampahahafantarana ireo teknolojia vaovao, fampihaonana ny tantsaha sy ny mpandraharaha no tanjon’ity hetsika karakarain’ny HazoVato ity. « Ho fanampiana ireo olona te ampiasa vola, manana tany sy tsy an’asa  ny FIA. Hahazo fampahalalam-baovao momba ny teknika, amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana ireo te hampiroborobo ny seha-pihariana.  Matihanina avokoa ny mpandray anjara ka vokatra tsara kalitao no atolotra ireo mpitsidika », hoy i Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny hetsika. Nambarany fa misy mpisehatra afaka manampy ireo te hanangana tetikasa mandray anjara amin’ny FIA.  » Raha manana tany dia hampahafantra  ny vokatra mety aminy, ny vola mety ho ilaina ary ny lalam-barotra misokatra ireo mpisehatra ireo », hoy izy. 400 mahery ny mpandray anjara amin’ny hetsika.

Seha-pihariana misokatra

Mampiavaka ny Foara iraisampirenena ho an’ny fambolena ny fampahahafantarana ireo lalam-barotra mbola misokatra eto Madagasikara sy any ivelany ho an’ireo sehatra telo ireo. Ohatra amin’izany ny famokarana tantely, 10.000 taonina isan-taona ny tinady eto amin’ny tsena any kanefa tsy mbola mahasahana izany ny famokarana. Torak’izany ihany koa ny eo amin’ny fanondranana satria 10.000 taonina isan-taona no tinady. Mbola sehatra azo ampiasam-bola ihany koa ny famokarana sakafom-biby satria 64.000 taonina isan-taona no provandy ilaina, 16.000 hektara ny vilona ilaina ary 25.000 hektara ny zavamaniry ilaina hamokarana tantely. Tsy mbola mahasahana  ny filàna eto an-toerana ihany koa ny famokarana atody sy ronono. 2160 taonina ny tinady ho an’ny ronono raha toa ka 2200 taonina isan-taona ny atody. « Fampahahafantarana bebe kokoa ny vokatra,  fiarahamiasa eo amin’ny tantsaha sy ny sehatra tsy miankina,  mba hisian’ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny mpanjifa, mpamokatra, mpamongady no antom-pisian’ny FIA », hoy i Ramilson Harifidy, Ministry ny fambolena sy fiompiana, nandritra ny fanokafana ny FIA. Ho an’ny ministera dia fotoana hanehoana bebe kokoa momba ny birao misahana ny famokarana, mamondrona amin’ny toerana iray ireo singa 10 tena ilain’ny mpamokatra ity foara ity. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny andro voalohany ny  paikady ho an’ny tolo-draharahan’ny Mpamokatra na « Stratégie des Services Agricoles » sy ny »Annuaire des Producteurs » izay tolotra hanohanana ny tantsaha, hijerena akaiky ny mpamokatra ahafahana mamaly ny filany. Tantsaha miisa 20 000 no voarakitra ao anatin’ny « annuaire des producteurs ». Ho aparitaka manerana ny Faritra 23 eto Madagasikara izany.

Lynda A.