FI.DM.TAM: Niara-niala voly ny mpivarotra sy ny mpanjifan’ny tsena Mahamasina.

Na dia fitadiavam-bola aza no antom-pisian’ireo mpivarotra eny amin’ny tsena Alakamisy Mahamasina, tsy misakana ny tsy hiarahan’izy ireo miala voly izany. Ny fikambanana mampivondrona ny delege sy ny mpivarotra (FI.DM.TAM) rahateo miezaka mampiray azy ireo. Niala tamin’ny mahazatra izy ireo ny alahady faha-27 novambra  2016 teo. Navela tanteraka ny antsoantso rehefa mivarotra.  Lomano, dihy, lalao isan-karazany no nanoloana izany. Nahazo fy tamin’ny fitsangatsanganana teny amin’ny batou beach Ambohimanambola  ny mpikambana  ka naverina indray izany tamin’ity taona ity. “Ho mariky ny firaisan-kina no entinay hanaovana izao fitsangatsanganana izao”, araka ny fanazavan’i Hanitra RAKOTOARISOA, Filohan’ny FI.DM.TAM.

Tsy ireo mpivarotra ihany no tonga teny fa niaraka tamin’izy ireo ihany koa ireo mpanjifa.

4000 mahery ny mpivarotra ary ny 62 amin’ireo dia delege avokoa. Manantena fa ho eken’ny ben’ny tanana an’Antananarivo Renivohitra  ny fangahatahan’izy ireo ny amin’ny  fisian’ny tsenan’ny noely amin’ny volana desambra.