FARITRA MELAKY: Manan-karena “goudron” ihany kanefa ratsy ny lalana.

Voafidy niaraka amin’ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA any Maintirano ny Solombavambahoaka voafidy tao Antsalova, Maurice RAMAROLAHY. Manantena ny tenany fa tsy fandalovana fotsiny ihany no atao any fa hiteraka famonjena ho an’ny faritra Melaky. “Manjaka tanteraka any mantsy ny asan-dahalo ary ny halatra omby no no betsaka. Tsy mandry fahalemana ny vahoaka”, hoy izy. Ankoatra izany, “manan-karena harena voajanahary ny faritra toy ny menaka mavesatra sy ny “goudron” saingy mijaly”. Porofon’izany ny faharatsian’ny lalana.

Manao antso avo ny tenany mba hojerena akaiky iny faritra misy azy izy ary ny fandriam-pahalemana no atao vain-dohan-draharaha voalohany.