FARITRA IKONGO: 178 ireo trano rava, sekoly ny roa amin’ireo.

Tanana lavitra andriana raha ny tanana any Ikongo. “Hatramin’izao mbola tsy fitondram-panjakana ka nitondra vahaolana ho an’ny faharatsian’ny lalana”. Tsy tong any fiaram-pitateram-bahoaka intsony any an-toerana. Nambaran’ny  Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Brunelle RAZAFITSIANDRAOFA fa efa tamin’ny taona 2015 no tsy nisy “taxi-brousse”  miasa intsony any. Voatery mandeha tongotra ny olona.

Mbola nanampy trotraka ihany koa ny loza navelan’ny rivo-doza farany teo. Namela takaitra goavana ho an’ny faritra Ikongo i ENAWO. Tranon’olon-tsotra miisa 176 sy sekoly  miisa 2 no ravan’ity rivo-doza mahery ity. Potika avokoa ny ankamaroan’ireo voly. Ao anatin’izany ny vary. “Efa tafakatra 1680 ireo tantsaha tonga nitaraina momban’ny  fahasimban’ny fambolena”, araka ny  fitantaran’ny Solombavambahoaka  hatrany.

Amin’izao fotoana izao,  miakatra be ihany koa ny vidim-bary ary ifampitadiavana be mihitsy. Tafakatra hatrany amin’ny 600 Ariary izany.  Manomboka manarina ny fari-piainany ireo mponina taorian’ny fahavoazana nandritra ny rivo-doza.