FARITRA ANALAMANGA: Handray anjara amin’ny fanadiovana ny tanana.

Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanadiovana ny tanana an’Antananarivo Renivohitra manoloana ny frankofonia ny eo anivon’ny faritra Analamanga. Manomboka androany dia hitanjozotra hanadio ireo vaomiera voatokana amin’izany. Efa nozaraina fitaovana avokoa  izy ireo. “Ny distrika an’Antananarivo 103 no hisitraka voalohany ny fanadiovana faobe”, hoy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Ndrantonomena RAKOTONANAHARY.

Ezaka ho fanampiana ny kaominina an’Antananarivo  Renivohitra  ny rodobe ho an’ny fanadiovana mba  ho fanatsarana ny tanana  mandritra ny fihaonana an-tampony faha-16 ny firenena mampiasa ny teny frantsay.

Samy handalo fanadiovana ny kaominina 143 mandrafitra ny faritra Analamanga. Tsy ho latsa-danja amin’izany ihany koa ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. “Ho an’ny  distrika an’Antananarivo 103 izao dia manana vaomiera 514 hisahana fitandroana ny ahalemana sy ny  fanadiovana ”.