FANONDRANANA ANTSOKOSOKO: 25 kilao ny totalin’ny volamena saika ahondrana.

Tatitra nataon’ny Lehiben’ny governemanta  Solonandrasana Olivier MAHAFALY fa 25 kilao ny fitambaran’ny volamena saika ahondrana antsokosoko tany ivelany ny taona 2016. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no nahatrarana izany. Tsy nahitana ny fanondranana andramena kosa iny taona nivalona iny saingy mbola mitohy hatramin’izao ny fanarahana ny raharaha Singapour.

“Vokatra azo tamin’ny ady atao amin’ny kolikoly ireo voalaza ireo” hoy ny Praiministra.

Ankoatra izany, sokatra miisa 700 ihany koa no tratra. Saika amidy any am-pitandranomasina avokoa  izy ireo.