FANANAN-TANY: Efa miroso amin’ny fanomezana “titre” ireo nanamainty molaly.

Efa mandeha ny  fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA  mahakasika ny fananan-tany ny sampandraharaha voakasika izany. Ny faitra Itasy no nanombohana izay ka nisy ny fidinana ifotony tamin’ny volana may lasa teo. Betsaka ireo tany efa nilaozan’ny tompony ka maro tsy voatanisa ihany koa ireo olona manamainty molaly izany amin’izao fotoana izao.  Araka ny fampanantenana, averina amin’ny fanjakana ireny tany nilaozan’ny tompony ireny ary omena ireo izay nanamainty molaly. Efa mandeha izao ny paika ady rehetra amerenana azy amin’ny fanjakana mifanaraka amin’ny lalana”, hoy Hasimpirenena RASOLOMAMPIONONA, Tale Jeneralin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany.

 Vita ny fitsirihana ka hiroso amin’ny dingana manaraka dia ny famaritana ireo anjara omena ireo olona nanamainty molaly . Efa voarakitra ao anatin’ny lisitra avokoa ireo olona ireo ary efa voamarina izany. Rehefa vitan’izany, omena azy ireo ny “titre” tahaka natao tany Ankadinondry. Ny ambiny tsy misy mampiasa kosa, miverina amin’ny fanjakana. Ankoatra izany, ny tany antsoina hoe: “fananana iombonana” toy ny kianja filalaovam-baolina, ny lalana, ny tsena… dia tsy afaka omena olon-tsotra.

Hitohy hatrany amin’ny faritra 22 manerana an’i Madagasikara ny fanantanterahana ilay fampanantenana. Tsy ho ela dia anjaran’ny faritra Antsinanana indray izao.