Fanabeazana ara-kolontsaina: Hoezahina ampidirana ao anatin’ny fandaharam-pianarana.

Ho ampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana manomboka any amin’ny kilasy ambany ka hatrany amin’ny kilasy famaranana ny fanabeazana ara-kolontsaina. Nisy ny atrikasa andiany voalohany nokarakarain’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny asan-tanana ny 15 sy 16 Oktobra lasa teo mahakasika izany niaraka tamin’ireo mpanabe, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo, mpahay kolontsaina Malagasy,…Nizara vondrona telo ny mpandray anjara ary samy niketrika ny fomba rehetra ampiharana izany isaky ny kilasy sy ireo taranja ianarana.

Raha ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny roa andro dia azo atao tsara ny mampiditra sy mampianatra ny Kolontsaina Malagasy ao anaty fandaharam-pianarana. Afaka ampitaina amin’ny alalan’ireo taranja toy ny filozofia, Malagasy, fanabeazana ny maha olona,… ny kolontsaina Malagasy. Dieny mbola zaza ihany koa dia tokony hampianarina sy hampahafantarina izany ary tsy mijanona an-databatra ihany fa tokony hisy fampiharana toy ny fitsidihana ny vakoka na toerana manan-tantara mirakitra izany kolontsaina izany. “Azo atao tsara ny mampianatra ny kolontsaina maha Malagasy manomboka any amin’ny fahazazana amin’ny alalan’ny angano na tantara an-tsehatra. Azo aseho amin’ny alalan’ny kilalao toy ny fanorona na ihany koa ny kolontsaina Malagasy.

Ezaka lehibe izany fanovana izany ary tsy vitan’iny atrikasa iray iny fa mety hisy indray ny andiany faharoa hanatevenana ny anton-kevitra voavolavola, hoy ny Talen’ny Kolontsaina ao amin’ny Minisitera voakasika, Rambemanantsoa Rintsa.

Lynda A.