FAMPIVOARANA NY LALAN-JOTRA ARA-EKONOMIKA: Am-pamolavolana ny drafitra

Nanatanteraka ny fivoriana faha-telo ny « comité local de pilotage » na CLP handrafitra ny drafi-pampandrosoana ho an’ny fitaterana sy ny fanajariana ny lalan-jotra ara-ekonomika an’Antananarivo sy Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa TatoM (AnTananarivo-Toamasina- Madagasikara) iarahan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitantanana ny fananantany sy ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale) ny fandrafetana lamin’asa hampiroboroboana ny lafiny ekonomia ho an’ Antananarivo sy Toamasina. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fandriam-pahalemana manerana ny lalàna mampitohy  an’Antananarivo sy Toamasina. Eo ihany koa ny fitadiavana aro-fanina iatrehana ny loza voajanahary, ny fampitomboana ny fiara mpitatitra entana sy  mpitatitra olona…

Nampahafantarina nandritra ny atrik’asa notontosaina ny 03 jolay 2018, teny amin’ny hotely Panorama Andrianarivo ny zava-bitan’ny “équipe d’études” avy ao amin’ny JICA. Ohatra amin’izany ny fahavitan’ny fanadihadiana ny zava-mitranga amin’ny toerana hanaovana ny tetikasa. Efa hita ihany koa ny sakana rehetra tsy ahafahana manatanteraka ny tetik’asa TaToM. Fotoana nahafahan’ny “équipe d’études” nanazava ny lalàn-kizorany ihany koa ity atrik’asa niarahana tamin’ireo ireo tomponandraikitry ny  vondrona fitsinjaram-pahefana isam-paritra, ny mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana  voakasiky ny tetikasa  ary ny tomponandraikitra isaky ny ministera isan-tsokajiny ity. Vinavinaina ho havoaka amin’ny volana aprily 2019io drafi-pampandrosoana ho an’ny fitaterana sy ny fanajariana ny lalan-jotra ara-ekonomika an’Antananarivo sy Toamasina io.