FAMPINONON-DRENY TSY MISY FANGARONY : Misoroka aretina maro

Tsy mahagaga raha betsaka  ny Malagasy marary vavony, voan’ny « allergie ».  Nambaran’ny tomponandraikitra avy ao ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka  fa tsy zakan’ny vavonin’ny zaza latsaky ny enim-bolana ny fanomezana azy  sakafo toy ny ranom-bary, mofo dipaina nolomana rano…. Miteraka aretim-bavony ho azy ireny. Sakafo ampy hampitombo ny zaza hatramin’ny faha-enim-bolany ny nonon-dreny. Aorian’ izay vao zarina omena sakafo hafa ny zaza ary tohizana hatramin’ny faha-roa taonany ny fampinonona. Tanterahina androany faha-17 aogositra 2018 any Ambositra ny ivon’ny fankalazana ny herinandro ho an’ny fampinonon-dreny eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny  fampiakarana ny tahan’ny fampinonon-dreny izao hetsika izao. « Entanina ny reny hampinono  tsy misy fangarony ny zanany mandra-pahatonga ny faha-enim-bolan’ny zaza ».

Zo

Singa lehibe miady amin’ny  tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny fampinonon-dreny tsy misy fangarony. Ireo zaza latsaky ny dimy taona no tena iharan’ity karazana tsy fanjarian-tsakafo ity. Noho izany, miantoka  ny otrik’aina mampitombo sy ny mamparanitra saina ny zaza ny nonon-dreny. Manoloana izany, manana zo hampinono adiny iray isan’andro mandra-pahatonga ny faha- 15 volan’ny zaza ny ny reny  « tanora ». Mandidy ny orinasa mampiasa vehivavy mihoatra ny 25 isa  hametraka toerana fampinonona ao amin’ny toeram-piasana ihany koa ny didim-panjakana laharana faha- 62.152. Hatreto mbola orinasa dimy no manana io toerana fampinonona io, hoy  ny tomponandraikitra ao amin’ny