Fampianarana: “Lava loatra ny 14 taona ianarana vao tonga kilasy famaranana”.

Efa nanomboka tamin’ny nahazoana ny fahaleovantena no mbola tsy niova ny rafi-pampianarana teto amintsika. Noraisina ho fampandrosoana ny firenena mihitsy anefa ny fanabeazana, toa tsy mbola nahita-bokatra anefa izany hatramin’izao. “Noho izany, mila fanovana ny fomba fanabeazana eto. Tafiditra ao anatin’izany fanenana ny halavan’ny fotoana ianaran’ny ankizy mandra-pahatonga any amin’ny kilasy famaranana. Azo atao tsara ny manena izany ho 10 taona raha 14 izany amin’izao fotoana izao. Feno tsara fandaharam-pianarana mandritra ny taona no mandeha miadana ary zakan’ny mpianatra tsara”. Manomboka any amin’ny prescolaire dia efa tokony ho fantatra ny ho avin’ilay zaza, ny sokajy hisy azy rehefa tonga ao amin’ny kilasy famaranana ary ny sampam-pianarana hataony rehefa eny amin’ny anjerimanontolo.Tokony tsy atao ambanin-javatra ihany fanabeazana azy ho olom-pirenena, vonona hamelo-maso ny tanindrazana araka ny fanazavan’i Tsisetraina, talen’ ny sekoly ETFR na Enseignement Technique et Formation Professionnelle eny Sabotsy Namehana .

Nandritra ny dimy taona no efa natao ny fikarohana momba ity rafitra vaovao ity ary nahita-bokatra. Mihena ny vola lanin’ny ray aman-dreny mandram-pahatonga any amin’ny kilasy famaranana no sady mbola ao anatin’ny fahazotoana tsara hanohy eny amin’ny ambaratonga ambony ilay ankizy. Araka ny fanadihadiana, eo amin’ny faha-18 taonany ny ankizy iray no manomboka mihena ny fahavitrihany hianatra, variana amin’ny zavatra hafa ka raha tsy mitandrina dia na miala –daharana na mandeha manambady, hoy izy. Ialana amin’ izany indrindra no tokony hanamboarana ny fotoana lany mandra-pahazo ny diplaoma Bacc.

Vokatra azo tsapain-tanana ny nahafahan’ i Michou Ramamonjisoa tamin’ ny fanadinana Bacc teo. Vao 14 taona izy ary nanaraka ity fomba fampianarana vaovao ity no sady sokajy teknika no nataony.

Lynda A.