FAMOKARANA: Misy sehatra manamora ny lalam-barotra

Anisan’ny mamatsy  voatabia, mangahazo, voamanga eo amin’ny tsena an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny kaominina Imeritsiatosika. Na dia efa manaparitaka izany amin’ny tsena aza ny tantsaha dia mbola misedra olana ihany.

Anterivava : Parisoa Andriambolanarivo

Voatery ariana fotsiny ireo voatabia tsy lafo satria loa. “Tsy teknika fambolena intsony no tsy ampy amin’ny tantsaha fa ny fitadiavana lalam-barotra”, hoy ny Ben’ny Tanàn’ny kaominina Imeritsiatosika, Parisoa Andriambolanarivo.

Tomponandraikitra  voalohany amin’ny fametrahana politika hampiroboroboana ny sehatry ny famokarana ny fitondram-panjakana. Mandeha ila ny famokarana raha tsy misy ny lalam-barotra. Ho fanampiana ireo tantsaha, miara-miasa amin’ny kaominina Imeritsiatosika ny  tomponandraikitry ny tetikasa “Pro Tana”. Manampy ny tantsaha mpamokatra voatabia ny fomba fitehirizana ny vokatra tsy ho mora loa ity tetikasa ity. “Nisy fotoana lasa 1000 Ariary ny kesika iray amin’ny voatabia raha toa ka 30.000 Ariary no tokony ho vidiny. Mba hitazomana ny vidin’ny voatabia ho mari-toerana no tanjon’ny tetikasa Pro Tana . Rehefa manaraka ny fomba fitehirizana ny voatabia ny tantsaha, afaka mamoaka ny vokatra amin’ny  fotoana maha lafo azy”, hoy i Parisoa Andriambolanarivo. Lalana iray manamora ny fitadiavana lalam-barotra ihany koa fanodinana azy ho lasa vokatra hafa. Ohatra ny fanodinana ny voatabia ho lasa saosy (ketchup). Anisany manampy ny tantsaha amin’ny fanatanterahina izany ny tetikasa Pro Tana.