FAHASALAMANA: “Matetika ny olona voan’ny diabeta no ela velona”

Ahafahana mitandrina ny fahafantarana ny toe-tena. Noho ny tsy fahafantarana anefa dia mitombo ny tahan’ny olona voan’ny diabeta eto Madagasikara. Raha 4 % ny  salan’isa avy any amin’ny sampandraharaha ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) momba ny olona manana toe-tena diabetika eto Madagasikara dia mitombo izany isaky manao fitiliana ny AMADIA (Andia miady amin’ny diabeta). Nambaran’ny « directeur des opérations » ao amin’ny AMADIA, dokotera Haja Ramamonjisoa fa 5 ka hatramin’ny  12 % ny tahan’ny olona voan’ny diabeta eto amintsika vokatry ny tsy fahalalàna.

Diabeta sokajy faharoa (diabète type 2) no resahana eto. Araka ny fanazavan’ny dokotera Haja Ramamonjisoa hatrany fa nolovaina tamin’ny taranaka ny “diabète type 2”. Ohatra nisy ray aman-dreny daibetika tany aloha. Anisany mahatonga ny diabeta ihany koa ny tsy fahaizana misakafo sy ny tsy fanaovana fampiasàm-batana. Azo atao anefa ny misoroka na manemotra ny diabeta amin’ny alalan’ny fanarahana ny fomba fisakafoana sy ny fampiasàm-batana. Noho izany, tena azo sorohana ny fisehoan’ny diabeta sokajy faharoa ka manana hafatra ny eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. “Aleo misoroka toy izay mitsabo”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, dokotera Manitra Rakotoarivony. Nilaza ihany koa izy fa misy ny aretina azo avy amin’ny toe-tena diabetika raha tsy mitandrina toy ny fahasimban’ny ny maso, fahasimban’ny  voa.  Ny fahaizana mandanjalanja ny sakafo hohanina, ny fanaovana fanazaran-tena  toy ny mandeha tongotra, fandehanana amin’ny bisikileta. Miantso ny any an-tokantrano mbola tsy nanao fitiliana hijery ny tahan’ny siramamy i dokotera Manitra Rakotoarivony satria ny  fahafantarana ny toe-tena no ahafahana mitandrina. Manaitra ny sain’ny rehetra ihany koa izy fa ny olona manana toe-tena diabetika no ela velona noho ny olona mihinakinam-poana satria fantany ny momba azy dia mitandrina izy.

Nisy ny tolotra maimaim-poana toy ny fitiliana diabeta, fijerena maso, fijerena tosi-drà, fampianarana momba ny sakafo ara-pahasalamana, fampianarana momba ny fikolokoloana ny tongotra ho an’ny olona voan’ny diabeta ary fivarotana fitaovana hitiliana diabeta amin’ny vidiny mirary nandritra ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta ny 15 desambra 2018, tao amin’ny HJRA Anosy.

Lynda