FAHABETSAHAN’NY ZAZA VERY: Ireo antony mahatonga izany

Nifanesisesy tato ho ato ny fiparitahan’ny sarin’ireo zaza very tamin’ny  tambazotra sosialy “facebook”. Nandeha ny feo fa resaka halatra taova no mahotanga ny fahabetsahan’ireo zaza very. Tsy afaka mbola manamarina izany izahay hoy ny “chef du service” ny polisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona, “commissaire de divisionnaire de police” Ravelomananony Hugette nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly 31 janoary 2019. Raha ny famotorana nataon’izy ireo taorian’ny fitoriana voaray dia resaka fitsoahana (fugues) no mahatonga ireo zaza tsy hita. Anisany mampitsoaka ireo zaza ny herisetra atao aminy ao an-tokantrano, ny fisarahan’ny ray aman-dreny. “Ilay zaza mihitsy no manatona ny polisy. Tsy nety nody  ilay zaza fa vonoiny ny dadany. Notambatambazana izy dia nampanantsoina ny ray aman-dreniny”. Marihina fa azo atao tsara ny miantso ny laharana maitso 147 raha sendra mahita ankizy iharan’ny herisetra ho fiarovana ny zon’izy ireo.

Tranga iray nanaovan’ny polisim-pirenena famotorana ihany koa ny momba ireo zaza mianadahy very. Rehefa natao ny famotorana momba azy ireo dia noho ny fisarahan’ny dadany sy ny maman’ izy ireo no antony tsy nahitana azy ireo, hoy Ravelomananony Hugette. Sahirana ireo zaza ireo satria samy tiany na ny rainy na ny reniny. Lasa nandeha nitsoaka ho an’ny  amin’ny dadany  any Antsirabe ireo zaza ireo rehefa natao fanadihadiana. Anisany maha very ny ankizivavy  ihany koa ny fanarahana ny sakaizany. Misy amin’izy ireo tonga hatrany Antsohihy, hoy ny commissaire de divisionnaire de police Ravelomananony Hugette. Antony iray tsy ahitana ireo zaza ihany koa ny fahatahorana mody.  Misy amin’ireo ankizy mifapitaritarika amin’ny namany any.  Tsy sahy mody avy eo noho ny fahatarana sy ny fahatahorana ho bedy.

Nohamafisin’ny commissaire de divisionnaire de police Ravelomananony Hugette fa tsy mpisambotra ihany no asan’ny polisim-pirenena fa mpanabe ihany koa. Ao anatin’izany ny firesahana amin’ny ray aman-dren’ireo zaza tsy hita fa misy zavatra tsy zakan’ny ankizy mahatonga azy ireo mitsoaka. Ankoatra izany, mandray anjara amin’ny fanentanana ireo mpianatra eny amin’ny sekoly  momba ny tombontsoa sy voka-dratsy amin’ny fampiasana ny tambazotra sosialy ny ministeran’ny filaminam-bahoaka ho fisorohana ny mety ho loza.

Lynda A.