ESTIIM’: Tsy sakana amin’ny fanohizana ny fianarana ny fananana tokantrano sy zanaka

Angovo entina manatratra ny tanjona. « Bevohoka  valo volana aho no nanomana ny fakàna ny diplaoma Master 1. Roa taona i Aaron zanako izao, sady mikararaka tokantrano sy miasa aho no nianatra MBA ahazoako  an’ity diplaoma Master 2 ity », hoy i Malala Tsa, mpianatrin’ny oniversite tsy miankina ESTIIM’, anisan’ireo mpianatra miisa  141 tamin’ny famoahana ny andiany « Manjaka ».   » Interprétariat diplomatique/ science politique » no noratovin’i Malala tao amin’ny ESTIIM. « Manana tombony kokoa ny olona sady miasa no mianatra raha mpanao gazety ohatra  ilay asa atao ary mifandraika amin’izay ilay fianarana ratovina.

Betsaka ny olona mieritreritra fa sarotra be izany. Mifanohitra amin’izany aza satria manampy be amin’ilay fianarana ataonao ilay asanao andavanandro », hoy izy. Ny 21 desambra 2022 teny amin’ny CCI Ivato no nanatanterahana ny famoahana ny andiany Manjaka. Nankalazaina tamin’io fotoana io ihany koa ny faha-20 taonan’ny ESTIIM’.

Inona no tokony  atao raha sady mianatra no mikararaka tokantrano sy miasa?

Nilaza i Malala Tsa fa nitondra tombontsoa ho azy ny fianarana tao amin’ny ESTIIM’  « na dia efa manan-janaka sy mikarakara tokantrano ary miasa aza ». Manao fampianarana ampitain-davitra ny oniversite ka izay  no nosafidiany hanohizana ny fianarany satria mihena ny fivezivezena. Ny fahaiza-mandamina ny fotoana no paikady nentiny niatrehana ny fianarany, ny fitaizana zaza ary ny asa.  « Ny alina aho mianatra lesona, misy fotoana adiny telo fotsiny no matory. Nisy fotoana aza tsy natory mihitsy tamin’ny fanomanana ny boky hahazoana Master 2. Ny maraina sy hariva aho mikarakara zazakely sy tokantrano ary miasa ny tontolo andro », hoy i Malala Tsa avy ao amin’ny Radio Mada. « Aza mieritreritra hoe efa manambady aho na efa manan-janaka dia tsy hanohy fianarana intsony fa ilaina foana ny manampy traikefa, manana diplaoma. Vao maika aza angovo entina manatratra ny tanjona ny tokantrano sy ny zanaka », araka ny hafatra nampitain’i  Malala mpanao gazety.

Ireo lalam-piofanana mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa

Andrianadison, Tale Mpitantana ny ESTIIM’

Nanamafy ny Tale Mpitantana ny ESTIIM’, Andrianadison fa misy amin’ireo andiany Manjaka no efa miasa. « Manana ny toerana sahaza azy ny mpianatra mivoaka ato aminay na  amin’ny  sehatrin’ny asa eto an-toerana na ivelany. Misy amin’ireo mpianatra aza tsy mbola vita akory ny fianarany dia efa misy orinasa mitady azy noho ny traikefa azonay nandritra izay 20 taona nampianarana izay », hoy izy. Nilaza izy fa matoa ireo lalam-piofanana fito no nosokafana tao amin’ny oniversite dia ireo no mamaly ny tsenan’ny asa hatreto. Droit, Diplomatie/Sciences Politiques, Communication, Administration/Management, Commerce/Marketing, Tourisme/Hôtellerie/Environnement,  Informatique ireo  lalam-piofanana misy  ao amin’ny ny ESTIIM’. Mamoaka mpianatra hahazo ny diplaoma DTS, LICENCE, MASTER ry zareo. Ho an’ny 20 taona manaraka dia manana vina hametraka sekoly hanofana mpianatra hahazo ny diplaoma Doctorat ny Oniversite, araka ny fanazavan’ny Tale Mpitantana. Laharam-pamehana ho azy ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Fantatra fa hanangana toeram-pampianarana ho azy manokana ny ESTIIM’ ary « ho atomboka amin’ity taona 2022 ity ny fananganana izany ».

Lynda A.