DR FEZINY: Ny tsy fanaovana fanatanjahan-tena no mahatonga ny diabeta.

Aretina mampahory ny diabeta. Miteraka fahalemen’ny vatana noho ireo fivontosan’ny tongotra. Malai-mihetsika mihitsy ireo voan’ity aretina  ity. Nohazavain’ny Dokotera  Feziny anefa fa tokony hiezaka hanao fanatanjahan-tena ireo marary mba tsy hampihombo ny aretina. Manome toro-hevitra ahafahana manatantareka izany ny toeram-pitsaboana Marie Stella. Ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta, izay nankalazaina omaly, faha-14 novambra, dia mitohy hatramin’ny faran’ny volana desambra ny fizahana maimaim-poana ny diabeta eny Analamahitsy.

 Ankoatra ny diabeta manaranaka, ny tsy fahaizana misakafo, tsy fahafahana mampihetsika ny vatana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena no tena mitarika ny vatana ho diabetika. Tsy mifidy taona na karazan’olona intsony ity aretina ity. Nambarany fa mbola tsy vita  ny tolona ka tokony hiezaka ny tsirairay hisoroka ary ireo efa voa kosa hiady mba handresena ny aretina amin’ny alalan’ny fanarahana amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fitsaboana.