DR FEZINY: Fomba ahafantarana fa voan’ny diabeta na tsia

Azo sitranina. Manampy ny tsirairay ahafantatra fa voan’ny diabeta na tsia ny fampiasana « glucomètre ». Fitaovana iray hijerena ny tahan’ny siramamy amin’ny vatana izy ity. Mialoha ny sakafo maraina, izany hoe tsy mbola nisakafo maraina no hanaovana.  Raha toa ka anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 8 millimole (mmol) ny tarehimarika mipoitra eo amin’ilay fitaovana dia efa “azo lazaina fa voan’ny diabeta ilay olona na ao anatin’ny sokajy “intolérance au glucose”, araka ny fanazavan’ny Dr Feziny Séraphine Fernand, mpanorina ny Centre Médical Marie Stella Analamahitsy. Raha mihoatra ny 8 mmol kosa izany amin’ilay tsy mbola nisakafo maraina iny dia efa diabetika tanteraka ilay olona. Nambarany fa voan’ny diabeta ny olona iray rehefa tsy voatrokan’ny sela ny siramamy miditra amin’ny vatana. “Ny siramamy tsy ho voatery siramamy fa misy ihany koa ny siramamy avy amin’ny sakafo toy ny vary, paty, hanikotrana… Raha vao tsy voatrokan’ny vatana ny siramamy fa mandeha any anaty rà, dia diabetika izay ilay olona. Tsy tokony mijanona anaty rà ny siramamy fa tokony adiny roa aoriana sakafo dia lasa any anaty sela, izany hoe voatrokan’ny vatana ary avadiny ho angovo”, hoy i Dr Feziny.

Maimaim-poana ny fizaham-pahasalamana

Ho an’ny olona diabetika, efa manaraka fitsaboana dia tena ilain’izy ireo ny manana “glucomètre”. Ho an’ireo marary manaraka fitsaboana eny amin’ny “Centre Médical Marie Stella Analamahitsy” dia isa-maraina no asain’ny mpitsabo mijery ny tahan’ny siramamy ny marary. “Hanaovana fanarahamaso ho an’ireo efa misy diabeta ny glucomètre. Rehefa mihinana fanafodin’ny diabeta ny marary dia mila manaramaso ny tahan’ny siramamy. Hahena na hatombo arakaraky ny tarehimarika mivoaka ny fanafody”, araka ny fanazavan’i Dr Feziny. Manazava misimisy kokoa ny momban’ny fanarahamaso ny fahasalaman’ny olona voan’ny diabeta ny boky torolalana navoakan’ity toeram-pitsaboana ity. Eny Analamahitsy no ahazoana azy. Ny fitsaboana ny diabeta amin’ny alalan’ny spiruline no tena nahafantarana ny Centre Médical Marie Stella. Mankalaza ny faha-15 taona nitsaboana tamin’ny alalan’ny spiruline ny toeram-pitsaboana ary mankalaza ny  faha-20 taona naha mpitsabo azy i Dr Feziny.  Manoloana izany, maimaimpoana ny fizaham-pahasalamana ao amin’ny “centre” mandritra  ity taona 2022 ity ary  mahazo fihenambidy 20 % ny faktiora rehetra, izany hoe izay handaniana vola toy ny fanafody, ny fitiliana… Nampatsiahy i Dr Feziny fa azo sitranina ny diabeta raha mbola vao manomboka saingy sarotra sitranina kosa raha diabeta avy amin’ny fisotroana toaka. Nambarany fa raha efa simba tanteraka ny sarakaty dia tsy maintsy mitsindrona “insuline”. Afaka miaina tsy misy fanafody kosa ary tsy mitsindrona “insuline” foana raha tsy mbola potika tanteraka.

Lynda A.

Horonan-tsary :

Fitiliana diabeta

“insuline”