DISTRIKAN’I MANDOTO: Fanamby lehibe napetraka ny fanatsarana ny fanabeazana.

“Na dia efa nisy aza ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny fizarana ny fitaovan’ny mpianatra dia tsy misakana velively  ny fanatanterahana ny  fampanantenana nomena  izany”. Efa fanamby lehibe napetraka ho fanatsarana ny lafin’ny fanabeazana ho an’ny distrikan’i Mandoto manokana rahateo izany. Mbola tsy ampy ny foto-drafitra asa natokana ho an’ny fanabeazana  any amin’ny distrika sahanin’ny  Solombavambahoaka  Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY. Manoloana izany, namatsy vola betsaka tamin’ny famitana sekoly miisa efatra ny tenany. Ankoatra ny fanamboarana foto-drafitra asa, trano fianarana maromaro ihany koa nozaraina dabilio.

Ho famporisihana ny mpianatra hianatra tsara, nozaraina  loka ireo mpianatra nahazo ny laharana  telo voalohany tamin’ny fanadinana, taom-pianarana 2016 lasa teo. Samy nomena mari-pankasitrahana  avokoa na mpianatra amin’ny sekolim-panjakana na ny tsy miankina.  Araka ny vaovao voaray, “6000 eo izy  ireo no nisitraka izany”.

Nambaran’ny Solombavambahoaka  voafidy tao ny Mandoto, Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY fa solontenam-panjakana fantatry ny  vahoaka any Ifotony ny solombavambahoaka. Ka na inona na inona olana sedrain’ny vahoaka dia tsy maintsy midodododo foana izy. “Izahay ihany koa tsy miraviravy tanana ary miezaka manao asa ny araka izay manandrify anay”.

Notokanana tamin’ny sabotsy lasa teo ihany koa ny biraom-pokontany ao Mandoto.