Distrikan’i Mandoto: Dahalo 40, omby 200 no lasa

Mihorohoro tanteraka amin’izao fotoana izao ny sain’ireo mponina ao amin’ny kaominina Vasiana Mandoto. Notafihin’ny dahalo miisa 40 ity faritra ity ny alahady tamin’ny efatra ora atoandro. Araka ny fanazavana azo, omby 200 no lasan’izy ireo. Nisy ihany ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana sy ny fokonolona. Olona 04 no maty ary 10 no naratra mafy nandritra ny fifanoherana tamin’ireo daholo taorian’izay. « Raha ny fantatra dia mitam-basy avokoa  ny 30 amin’ireo mpangalatra », hoy solombavambahoaka voafidy tany Mandoto, ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina. Na dia eo aza izany, mbola mitohy hatrany ny fanarahana an’izy ireo araka ny nambarany. Vokatra izany, omby 25 no efa tafaverina.
Manao antso avo amin’ny fanjakana ity solombavambahoaka ity hanamafy ny famdriam-pahalemana any an-toerana amin’ny alalan’ny fananganana  » poste avancée ».

Lynda A.