DINIKA HO FANAVOTAM-PIRENENA: “Tsy hita mihitsy ny fanjakana raha tsy handrava fitakiana sy fihetsehana”.

“Tafahoatra loatra ny fahantrana sy ny tsy rariny eto Madagasikara. Ny fihainoana ny vahoaka irery ihany no vahaolana ahafahana miala amin’izany”. Mba hirosoana amin’izany, niray feo ireo mpitolona ny hetsika sendikaly, ny hetsika ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ary ny fiaraha-mientan’ny kristianina.

Mitovy hevitra amin’ny fiangonana katolika izy ireo ka tokony hotanterahina farany izay haingana ny latabatra boribory ho  fihainoana ny  hetahetan’ny vahoaka. Nanao fanambarana mihitsy izy ireo fa ny  “Dinika ho Fanavotam-pirenena” no vahaolana ialana amin’ny fahantrana lalina miajady amin’ny vahoaka Malagasy, hoy Doudou, mpitari-tolona.

Miantso ny Filoham-pirenena hanamora ny fanatontosana izany ireto mpikatroka ny hetsika ireto.