DIAF MARINDRANO: Feno 10 taona namokarana fandaharana hanampiana ny tanora amin’ny olana sedrainy

Resaka fananahana, fidorohana zava-mahadomelina  ary teknolojia no lohahevitra  ho resahana mandritra ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Diaf Marindrano. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 16 septambra 2022 teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina  ny fankalazana.  Fankalazana an’Andriamanitra no nanombohana azy ary narahana fampirantiana an-tsary ireo asa vita nandritra ny 10 taona.  Famelabelaran-kevitra momba ny  fananahana sy fandefasana ireo fandaharana  Marindrano novokarin’ny fikambanana Diaf kosa ny tapan’ny hariva. Hitohy rahampitso 17 septambra 2022 ny hetsika ka ho resahana amin’izany ny “resaka moly ilay raha” ary ny teknolojia.  “Hetsika ho an’ny tanora, ray aman-dreny, mpanabe,  ny olona liana amin’ny resaka teknoloija, mpitory filazantsara izy ity”, hoy Raholiarimalala Norohanitra , Filohan’ny fikambanana Diaf Marindrano. Araka ny fanazavany dia fikambanana mitory filazantsara amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny teknolojia ny Diaf ary namokatra ny fandaharana antsoina hoe: Marindrano.  “Ny fandaharana dia manome fijery mahitsy ny tanora manaiky ho tarafin’ny tenin’Andriamanitra manoloana ny olana sedrainy. Na hendry na maditra dia tsy maintsy misedra olana, voasarikin’ny manodidina. Ny vahaolana hitanay dia ny tenin’Andriamanitra. Jesoa Kristy ihany no vahaolana fototra”, hoy Raholiarimalala Norohanitra nanazava ny antony namokarana fandaharana ho an’ny tanora. Nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’ny 2022 dia 18 ny lohahevitra noresahana tao anatin’ny fandaharana Marindrano toy ny fomban-drazana, lamaody, namana, fahalalam-pomba,mozika, vola, mpitovo, toaka, “conflit de génération”, sipa, teknolojia,  “coup de foudre”. Resaka  vola kosa ny lohahevitra hivoaka manaraka. “Eo am-pamolavolana izany izahay”, hoy  Rajaonarivo Lanto miandraikitra ny hetsika ao amin’ny Diaf Marindrano. Mizara 4 ny  firafitry ny  fandaharana Marindrano ka resahana ao anatiny ny zava-misy, ny olana, ny vahaolana ary fampiharana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fiainana andavanandro.

Lynda A.

Horonan-tsary