DFP: Tsy maharo ny vahoaka intsony ny fanjakana.

“Tokony hametra-pialana ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA satria tsy mahavita ny asany”, hoy ny DFP. Na ny fiarovana ny  vahoaka aza aza tsy voafehy intsony. “ Inona intsony no handrasana amin’ny fitondrana ankehitriny? Tsy mahavita ny adidiny amin’ny fiarovana ny ain’ny Malagasy manoloana ireny  fitsaram-bahoaka ireny izy ireo.  Lasa an-tsirambina ny fiarovana ny vahoaka. Noho izany, mangataka fihaonana amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana EMMOREG ny DFP hamahana izany haingana ary tsy misy ataka andro.

Manaraka izany, mbola nohamafisiny ny  Dinika ho Fanavotam-Pirenena fa mila fifampiresahana haingana  ny raharaham-pirenena.