DFP: Fialana nenina farany ity fampiantsoana ny fitondram-panjakana ity.

“Ny firosoana amin’ny dingan’ny fifampidinihana eo amin’ny ankolafin-kery rehetra no vahaolana ialana amin’ny  krizy eto Madagasikara”, hoy ny DFP.  Raha tsy tiana ny hisian’ny tranga toy ny tamin’ny taona 80 tany Afrika dia tokony hirosoana haingana dia haingana  ny dinika ho fanavotam-pirenena. “Vokatry ny hanoanana sy ny fahantrana mihoa-pampanana dia velona ny fipoahana ara-tsosialy”, hoy ny Profesora RADANOARA Julien.

Noho izany, miala nenina farany amin’ny fitondram-panjakana ny vovonana Dinika ho Fanavotam-Pirenena na DFP izay tarihin’i Maharavo RATOLOJANAHARY. “Mangataka valiny amin’ny fitondrana izahay raha hiroso amin’ny dinika ihany na tsia ny tenany,  mialohan’ny handraisana fanapaha-kevitra”. Nambarany ity mpitarika ity ihany koa fa raha tsy tanterahina ny dinika dia aza gaga raha misy ny  fihoaram-pefy ataon’ny vahoaka.

Manaraka izany, tsy ilaina intsony ny fanovana governemanta. “Efa in-telo niova izay ny governemanta kanefa tsy hita izay fiovana”. Ny fifampiresahana no tokony imasoana.