CREM: Zava-dehibe ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny sosialy

“Ambany dia ambany ny tahan’ny tetibolan’ny atokan’ny fanjakana amin’ny sehatry ny sosialy ary raha misy aza izany dia lany amin’ny fampandehanan-draharaha fotsiny”. Raha ny lafiny fahasalamana no resahana dia ny 5 % amin’ny tetibola  ankapobeny  ihany no atokana amin’izany, hoy ny tomponandraikitry ny serasera avy ao amin’ny CREM (Cercle de Reflexions  des Economistes de Madagascar), Rafaliarisoa Fleurice. Nambarany fa raha tsy dieny izao  ny fitondram-panjakana  sy ireo sehatra tsy miankina no maka fanapahan-kevitra amin’ny fampitomboana ny tetibola amin’ny lafiny ara-tsosialy dia be lavitra noho ny tombontsoa izay mety azontsika ny voka-dratsiny ny tsy fampiasam-bola amin’ny sehatra ara-tsosialy. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny CREM ny maha zava-dehibe amin’ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny sosialy ka nampahafantarina omaly 16 mey 2019 teny Antaninarenina ny voka-pikarohana.

Mamporisika ny fitondram-panjakana ny CREM hampiakatra ny tetibola amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, ny rano fisotro madio, fahadiovana sy ny fidiovana. Ady sisika nataon’ny fikambanana ny fampitomboana ny tetibola ho atokana ho an’ny fahasalamana ho 15 %, ny tetibola ho an’ny fanabeazana ho 20 %. Tokony hampitomboana ihany koa ny tetibola amin’ny  fahazoana rano fisotro madio sy ny fanamboarana lava-piringa. “Mijaly amin’ny  fahazoana rano fisotro madio ny vahoaka  Malagasy. Ny 50 % vahoaka ihany no mahazo rano fisotro madio ka tokony hiakatra 75 % izany  amin’ny alalan’ny fampitomboana ny isan’ny fatsakana, ny paompin-drano. Any ambanivohitra ohatra lany amin’ny fitadiavana rano ny fotoana tokony hiasàna. Efa misy fiantraikany amin’ny lafiny maha olona izany. Tahak’izay ihany koa ny tsy fananan’ny lava-piringa, 15 minitra isan’andro ho an’ny isam-batan’olona  no very amin’ny fitadiavana lava-piringa, misy fotoana be dia be no very.  Ka raha natao ny kajy dia raha ohatra manana lava-piringa isan-tokantrano ny tsirairay dia lasa tombony ho an’ny tokantrano tsirairay ny 15 minitra, 300.000 Ariary isan-taona ny vola miditra isan-tokantrano”, hoy hatrany ny fanazavan-dRafaliarisoa Fleurice.  Raha ny voka-pikarohana nataon’ny CREM dia mampiakatra ny hari-karena faobe ary misy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny sosialy.

Raha ny soso-kevitra naroson’ireo mpahay toekarena dia tokony miezaka ny fanjakana mampiakatra ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bola raha te hampitombo ny tetibola ampiasaina amin’ny sehatry ny sosialy, rehefa tsara ny fidiram-bolany dia manao tamberinandraikitra izy amin’ny lafiny ara-tsosialy.

 Lynda A.