CONCERT-CABARET: Ny “Kalom-pitia” miaraka amin’i Mia sy Rija Ramanantoanina.

Fampisehoana adiny telo tsy an-kiato no atolotry ny mpankanto Rija RAMANANTOANINA sy Mia ny zoma 28 jolay 2017 etsy amin’ny Carlton Anosy. Ankoatra ny hira nahafantaran’ny mpankafy azy ireo, hikalo ny hira fahiny, nalaza tamin’ny taona 80 ihany koa izy ireo.

 Hiavaka ity kalom-pitia andiany fahefatra ity satria handravaka ny hetsika ny rindra-mozika isan-karazany. Hanaingo ny “cabaret-concert” ihany koa  ny fisian’ny sora-dihy eny antsefatsefany eny.

Hanomboka amin’ny 08 ora alina ny fotoana. Vahiny nasaina  ary ho avy amin’io i Mirado.