CNTMAD: Nanitatra ny foto-drafitra asa.

Tsy mitsaha-mitombo ny mpianatra ao amin’ny sampam-pampianarana fampitan-davitra CNTMAD. Manoloana izany, nanangana foto-drafitra asa vaovao ity fampianarana ambony ity. Hazaka mpianatra 200 eo ho eo ny efitrano fampivondronana ny mpianatra, hoy ny tale jeneraly Atoa RAKOTONDRAMPARANY Sylvain. Ankoatra izany, ahitana trano boky hitrandrahan’ireo mpianatra fahaizana ihany koa ity tranom-pianarana vaovao ity. Vinavinaina eo amin’ny 500 tapitrisa Ariary no ho lany amin’ny fanamboarana ary amin’ny taona  2016 no hoezahina vitaina.

Lynda A.