CNTEMAD: Sady mianatra no miasa.

Tombony ho an’ny mpianatra misafidy ny fampianarana fampitan-davitra ny fahafahana miasa. Ny boky no tena miasa. Ho an’ny ivom-pampianarana CNTEMAD, efa vonona avokoa ireo boky ilain’ny mpianatra mandritra ny taom-pianarana. “Efa manomboka kosa ny fisoratana anarana ho an’ny fidirana vaovao”, hoy tale misahana ny fampiroboroboana, Eric RASON.

Ny “science sociale” no tolotra vaovao omen’ny CNTEMAD ankoatra ny lalam-piofanana mahazatra toy ny Communication, Gestion, Droit…

Azo fantarina eny amin’ny « salon de l’étudiant spécial rentrée janvier » eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny andinindininy mahakasika izany. Rahampitso 13 janoary 2017 no hifarana ny hetsika.