CNTEMAD: “Miankina amin’ny fari-pahaizana ny fari-piainana”.

“Ambany dia ambany ny tahan’ny raim-pianakaviana nandalo fianarana ambaratonga ambony. Raha ho an’ireo tanana lavitra oniversite no resahana,  ny enti-manana  manoloana ny alaviran’ny toerana hianarana no antony mahatonga izany”, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNTEMAD, Djohary ANDRIANAMBININA. Ho fampitomboana io taha io, miezaka hatrany ity ivon-toeram-pampianarana fampitan-davitra ity manakaiky ny mpianatra. “Ao anatin’ny politikan’ny Ministeran’ny  fampianarana  ambaratonga ambony iadiana amin’ny fahantrana  rahateo izany”.

Miha miitatra hatrany  manerana ny distrika  eto Madagasikara ny CNTEMAD. Vao tsy ela akory izay no  nisokatra ny ivon-toerana any Port Berger sy Bealalana. Nambaran’ny  Tale Jeneraly fa miankina amin’ny fari-pahaizana ny fari-piainana. Mba ahafahan’ny mpianatra any ambanivohitra misitraka ny fampianarana ambaratonga ambony, ny fametrahana oniversite manakaiky ny tanana misy azy no vahaolana. Amin’izay fotoana izay tsy mila mandeha alavitra izy ireo no mihena vesatry ny ray aman-dreny.

Raha ho an’ny CNTEMAD manokana izao,  fomba iray ahafahana mianatra sady miasa ny fisafidianana ny fianarana ampitain-davitra ary tsy mila mandeha kilometra maro vao afaka misitraka ny fianarana ambaratonga ambony.  Malalaka tsara  ihany koa ny mpianatra handalina ny boky ary mbola mahazo fanampim-panazavana rehefa tonga ny fotoanan’ny fanaovana “regroupement”.