CNTEMAD: 3, 5% ihany ny raim-pianakaviana nandalo fianarana ambaratonga ambony.

“Rehefa  ambany ny fari-pahaizana dia mifanaraka amin’izay ihany koa ny asa sahaza ny olona iray sy ny karamany”. Raha ny raim-pianakaviana fotsiny no horesahana dia miankina amin’ny mari-pahaizana hananany ny fidiram-bola hamelomany ny ankohonany. Nohazavain’ny Tale Jeneralin’ny  CNTEMAD, Djohary ANDRIANAMBININA fa ny 3, 5% ny raim-pianakaviana Malagasy ihany hatreto no nandalo fianarana ambaratonga ambony. Antony mahatonga izany ny fahalaviran’ny toeram-pampianarana ka tsy maintsy mandany vola be vao afaka manohy ny fianarana. Noho izany, tanjona ho an’ny Ivon-toeram-pampianarana fampitan-davitra CNTEMAD miaraka amin’ny  Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika,  ny  hamahana izany sy hampiakarana io salan’isa io.

Amin’izao fotoana izao, efa ahitana CNTEMAD any Betafo Antsirabe sy Manjakandriana  ary Amparafaravola. Entina hanatonana ny mpianatra sy ahafahan’izy ireo mbola manohy ny fianarany,  tsy mila miakatra an-drenivohitra no nanamboarana ny foto-drafitra asa. Laharam-pamehana ho an’ny CNTEMAD sy ny fitondram-panjakana tokoa ny fanatonana ny vahoaka amin’ny fampiroboroboana sehatry ny oniversite isaky ny distrika.