CLUBS FONGOTRA: Manana fanantenana ny taranaka ho avy

Tanora Malagasy 500 isa nilatsaka an-tsitrapo hiady amin’ny kolikoly. Hanatevin-daharana ny Clubs Fongotra izy ireo. Tontosa ny 23 novambra 2018 tao amin’ny IKM Antsahavola  ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny fikambanana transparency international Madagascar (TI-IM) sy ireo lisea  dimy sy oniversite eto Antananarivo. Ho asiana “clubs fongotra” avokoa eny anivon’ireo toeram-pampianarana ireo. Ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara no antom-pisian’ny Clubs Fongotra. Nambaran’ny filohan’ny TI-IM, Alex Rafamatanantsoa fa amin’ny alalan’ny fanabeazana no hamongorana hatramin’ny fakany ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany ny fametrahana ity “club” ity fa hitohy hatrany amin’ny faritra.  Nanamafy ny filohan’ny TI-IM fa tsy natao ho an’ny mpianatra ihany  ny “club” fa afaka miditra mpikambana ihany koa  ny olom-pirenena rehetra.

Hidina an-dalam-be

Ny 9 desambra ho avy izao ny fankalazana  ny andro manerantany ho an’ny ady amin’ny kolikoly. Ho fanamarihana izany, hikarakara hetsika lehibe ny TI-IM ny alatsinainy faha-10 desambra 2018. Hidina an-dalambe ireo mpilatsaka an-tsitrapo ka hanao diabe manerana ny boriborin-tany enina eto Antananarivo renivohitra. Hisy hetsika ihany koa ho atao any amin’ny faritra mandritra io fotoana io. Misy fanantenana ny taranaka ho avy fa tsy handova firenena hanjakan’ny kolikoly any aoriana noho ny fandraisana andraikitry ny tanora ankehitriny.

Lynda A.