CFM: Mpanao gazety tranainy, hitarika ny fampihavanam-pirenena

Lany ho filohan’ny  komity ny Fampihavanana Malagasy(CFM)  i Maka Alphonse. Raha dimy ny kandida  tamin’ny fiodinana voalohany, nifaninana taminy kosa i  Olivier Rabe Landry  tamin’ny  fiodinana faharoa. Nahazo vato 19 tamin’ny 33 ny tenany . “Andrim-panjakana  hitandro ny firaisankinam-pirenena  ny CFM. Idina eny ifotony mihitsy izahay hampihavana ny Malagasy”, hoy ny filohan’ny CFM sady mpanao gazety tranainy.