Centre Rassouloul Akhram: Manabe ny maha olona sy ny ara-panahy.

Tafiditra ao amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny  silamo ny faonavana asa soa. Tsy araka ny feo mandeha hoe: « mahery fihetsika ry zareo silamo » no hita taratra ao amin’ny Centre Rassouloul Akhram na CRA etsy Antohamadinika. Nohantitraterin’ny tompon’andraikitry ny serasera, Sheikh Abou Mounir mihitsy aza fa midika fandriam-pahalemana ny teny hoe: silamo fa tsy izany velively. Mizara fanomezana ho an’ny mponina manodidina ity ivon-toerana ity indrindra fa amin’i zao fotoana ny volana masina Ramadany izao. Ahitana toeram-pampiofana teny, toy ny arabo, anglisy, frantsay,…. ihany koa ao amin’ny CRA. Ankoatra izany, mandray an-tanana ireo mpianatra silamo mandranto fianarana ambony avy any ami’ny faritra izy ireo. Misy ny kilasimandry natao ho azy ireo.

Ao anatin’ny vanim-potoana ny Ramadany izay volana fahasivy amin’ny marika andro silamo. Mifanaraka amin’ny fivoahan’ny volana izy io. Mifady hanina, tsy misakafo no sady tsy misotro rano manomboka vao mangiran-dratsy ka mandra-piletiky ny masoandro. Ary mandritra ny 29 na 30 andro no anatanterahina izany. Fifehezena no tena iantsoana ny Ramadany. « Fotoana ifehezana ny vatana, ny saina ary ny fanahy ny volana Ramadany ». Fotoana famelan-keloka ihany koa.

Lynda A.