Centre Medical Marie Stella: Mitsabo maimaim-poana ny aretin’ny fahasemporana.

Hetsika fanaon’ i Dr Feziny sy ny mpiara-miasa aminy na tany amin’ ny toeram-pitsaboiny teo aloha na ao amin’ ny Centre Médical Marie Stella Analamahitsy  ny fanomezana fitsaboana maimaim-poana. Mandritra ity iray volan’ ny aogositra ity, mandray ireo olona marary na manana olana manodidina ny « asthme, allergie,… na  fahasemporana ry zareo. Tsy misy sarany avokoa na ny fizahana na ny fanafody.

Anisany mahafaty olona be indrindra ireo aretina ireo raha tsy voatsabo tsara.  » Ny zaza latsaky ny 12 taona no tena handairany ary miverina izany rehefa mananika ny 40 taona ilay olona ». Manoloana izany, mampianatra sy mampahafantatra izay tokony atao ihany koa ny Centre Marie Stella mandritra io hetsika io. « Mahatsapa izahay fa manana adidy amin’ izany », hoy Dr Feziny.

Nambarany fa ny tsy fahampian’ ny hery fiarovana no tena mahatonga ireo aretina ireo. Manampy trotraka ihany koa ny fahalotoan’ ny rivotra ankehitriny. « Aza atao tsara ny misoroka ny aretina amin’ny alalan’ ny fihinanan sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja tsara ary fanaovana fantanjahan-tena », hoy hatrany izy.

Marihina fa manomboka amin’ny 05 ora sasany ka hatramin’ ny 11 ora atoandro ny fandraisina ny marary rehetra.

Lynda A.