CENTRE MEDICAL JCR: Nahoana no tsy mety sitrana kanefa manaraka fitsaboana?

Ny maha olombelona mihitsy no tsaboina.  Betsaka ireo marary no lany volabe hitsaboana tena kanefa tsy misy vokany izany na ihany koa sitrana fa miverina indray izany na misy aretina hafa mipoitra.  Raha ny fikarohana, avy amin’ny tantaram-piainana, ny lasa, ny fikorontanan’ny maha olombelona ny olombelona no tena mahatonga ny aretina. Tranga iray nandalo tao amin’ny  Centre Médical JCR ohatra ny aretina nahazo ilay rangahy 70 taona. Rehefa natao ny fizahana dia noho ny lasany no fototry ny aretina, tsy nanjary ny fiainany, nahatsapa ho tsy nahazo fankasitrahana ny tenany ary niteraka aretina ho azy izany, rehefa narary indray  izy dia nilaozan’ny  zanany ary vao maika nampihombo ny aretiny izany. Rehefa nanaraka ny fitsaboana teny Antsakaviro anefa izy dia niova ny fiainany sady sitrana izy no nivoatra  be, mbola mazoto manovo na dia efa nahazohazo taona aza sy ny maro hafa.

Araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa JCR, Dr Ratsimivony Jean Claude fa amin’ny malagasy “ny fanahy no maha olona” dia ny vatana, ny aina, ny saina ary ny fanahy. Izany indrindra no mampiavaka ny fitsaboana ataon’ny centre Médical JCR satria ny maha olona mihitsy no tsaboina. Nambarany fa tontolom-piainana tany aloha no mitondra vesatra ho an’ny fanahy ka lasa “fery tsy maty” ary mitarika any amin’ny fiforonan’ny aretina. Tsy maintsy fafana izany hoy izy raha tsy izany dia herim-po very maina ny fitsaboana atao ary ny tena zava-doza dia mifindra any amin’ny taranaka. Mampiasa ny fitsaboana “nentim-paharazana” sy fitsaboana moderina ny Centre Médical JCR mba hampirindra ny hery miantoka ny fahaveloman’ny olombelona. “Rehefa misy io firindrana io dia salama”, hoy hatrany Dr Ratsimivony Jean Claude, mpanorina ny “laboratoire homeopharma”.

Lynda A.