CENAM : Mampiroborobo ny asa tanana Malagasy ny fanjifana azy.

“Manome lanja ny vita gasy ny fanjifana azy”. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Ivon-toeram-pirenenan’ny asa tanana Malagasy (CENAM), KANTE RENE fa miroborobo ny asa tanana Malagasy rehefa mametraka ho  laharam-pamehana ny fanjifana azy ny avy eto an-toerana izay vao ny avy any ivelany.

Ho fampivoarana hatrany sehatry ny asa tanana, nitombo indray ireo mpiantsehatra amin’ity sehatry ity. Mpiofana 88 nianatra momba ny ny tenona (tissage),  rary (vannerie), korose (crochet), amboradara (broderie), zaitra (coupe et couture), rafitra vy (ouvrage metallique), tandroka (corne), fanodinana akora natoraly, mekatronika, fanodinana plastika sy akora sarotra levonina ho haingo (recyclage)  no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 07 Septambra 2017.

Andiany EZAKA. Andiany voalohany niofana tao amin’ny  Ivon-toeram-pirenenan’ny asa tanana Malagasy (CENAM) ireto mpianatra notolorana ny fanamarinam-pahavitam-piofanana ireto.

Nitombo indray ieo mpiantsehatra ho fampiroboroboana ny asa tanana Malagasy. Ho fanohanana azy ireo , nanome voninahitra ny lanonana i Jean Jacques RABENIRINA, Ministry ny ny Kolotsaina, ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny vakoka sy i Alibena RAZAFITOMBO, Loholona  sady mpanolontsaina maneran-tany misahana ny asa tanana, tomponandraikitry ny faritra Atsimon’ny Afrika.