“CASTING BRAND AMBASSADOR”: Misokatra ho an’ireo liana momba filatroana

Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Madagascar fashion Week Océan Indien (MFWOI) amin’ny fifantenana ny “brand ambassador”, hitondra avo ny talenta hananan’ireo mpamorona, ny mpisehatra ao anatin’ny asa famoronana sy asa-tanana eto Madagasikara izay handray anjara amin’ny hetsika Fashion Week atao any Paris, renivohitr’i Lafrantsa. Nanomboka ny 23 febroary 2019 teto Antananarivo Renivohitra ny casting ka ny sabotsy faha-23 martsa 2019 indray ny daty manaraka izay hatao any Toamasina. Ao amin’ny Dzama Coktail café Ampasimazava no hanatanterahana izany ka 10.000 Ariary ny fandrasaina anjara ary azo atao ny mitsidika ny pejy Facebook ny Madagascar fashion Week Océan Indien raha mila fanazavana fanampiny, araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny MFWOI, Rakotoson Alexandre. Mpanohana ny hetsika ny televiziona “African fashion Tv” ka handeha mivantana amin’io televiziona io ny fifantenana. Ho avy ihany koa ny delegasiona avy amin’ny nosy La Réunion hanatevin-daharana ireo mpanao fifantenana. Ankoatra izany, hiantoka ny lany rehetra ho an’izay hisolo tena ny faritra Atsinanana ny mpikarakara ho an’ny fifantenana farany izay atao eto Antananarivo.

Brand ambassador 777

Nambaran’ny mpikarakara moa fa hetsika lehibe tsy manavaka sarangan’olona na kely na lehibe, na antitra na tanora izy ity. Izany indrindra no mahatonga azy antsoina hoe: casting brand ambassador 777, izay midika fa afaka mandray anjara avokoa na lahy na vavy manana sala taona manomboka ny 7 hatraminy 77 taona. Araka voalazan-dRatsiriniaina Saraha, talen’ny fifantenana ao aminy MFWOI dia manana fomba entina maneho ny fomba fitafy mifanentana amin’ny vatany sy taonany ny  tsirairay. Santionany amin’ny hetsika sahanin’ny fikambanana Jeunes volontaires Madagascar ity casting ity, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana, Rakotoson Alexandre. Mbola mitohy ny fanaovana asa sosialy sy ny fampiroboroboana kolontsaina malagasy eto an-toerana sy eo anivon’ny iraisam-pirenena.

Lynda A.