CASEF: Mitohy ny fizarana kara-tany

Manana vina hizara kara-tany miisa 500.000 amin’ireo faritra dimy hiasany (Atsinanana, Analanjirofo, Vakinankaratra, Analamanga, Itasy) ny tetikasa CASEF  na « Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière » mandra-pahatonga ny 2021. Nanatanteraka atrik’asa  isam-paritra ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana izay miahy  ity tetikasa ity taorian’ny fampahafantarana nasionaly ny  asa ho tanterahina momba ny fananan-tany  ao anatin’ny  CASEF. Notanterahina ny 14 janoary 2019 ny teto amin’ny faritra Analamanga. Nampahafantarina tamin’io fotoana io ihany koa ny orinasa GEOX2 izay nosafidian’ny CASEF ho mpanara-maso ara-teknika momba ny fananan-tany. Araka ny fantatra, hiandraikitra ny fanatanterahana ny asa amin’ny lafiny fananan-tany ao anatin’ny tetikasa CASEF ny GEOX2.

Ankoatra izany, nampivondronana ireo mpiantsehatra amin’ny fananan-tany ity atrik’asa ity mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanatanterahana ny asa. Fotoana nahafahana nihaino ny toromarika entina hanatsarana ny asa eto amin’ny faritra Analamanga ihany koa iny fihaonana nokarakarain’ny ministeran’ny fambolena iny. Tsiahivina fa tany nohajariana mbola tsy misy titra no azo omena kara-tany ka ny birao ifotony ny fananan-tany (BIF) eny anivon’ny kaominina no miandraikitra ny fanomezana izany.

Lynda A.