CAN 2019: Mampiray ny Malagasy ny Barea

Vao tapitra ny lalao ny nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara tamin’ny  Super Eagles, ekipam-pirenena nizerianina, omaly 30 jona 2019 dia nanakohako eran’ny tanàna ny horakorakin’ny mpianakavy.  Tao ireo nikapokapoka vilany sy vilia tao ao an-trano sady nihiakiaka mafy hoe: “Alefa Barea”. Tao ireo nirohitra nivoaka ny trano ary nameno ny arabe. Maresaka avokoa ny arabe nanerana ny an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Faly, tena faly ny vahoaka Malagasy satria nandresy ny ekipam-pirenena nizerianina tamin’ny isa 2 noho 0 ny ekipam-pirenena malagasy. Laharana voalohany isika tao aorian’iny lalao iny izay manana isa fito. Manana isa enina kosa ny nizerianina ary manaraka azy ao i Guinée (isa efatra) ary farany i Burundi, tsy manana isa. Raha io vokatra io no jerena dia hihaona amin’i laharana fahatelo tsara indrindra ao amin’ny vondrona  A na C na D ny Barea amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Tao anatin’ny lalao in-telo nataon’ny Barea dia mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy  hatrany  no nahazo ny fankasitrahana  ho mpilalao mendrika (homme du match).  Abel Anicet tamin’ny lalao nifandonana tamin’i Guinée, Ilaimaharitra Marco tamin’ny lalao nifanandrinana tamin’i Burundi ary farany ny lalao nihaonana tamin’i Nigéria nahazoan’i Carolus Andriamahitsinoro.

Ny alahady 7 jolay 2019  ho avy izao indray ny lalao manaraka handraisan’i Madagasikara amin’ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra (CAN 2019) atao any Egypte.  Raha iny tranga omaly iny no jerena dia tsy voatery tabazana vola ny Malagasy mpiray tanindrazana vao afaka haneho ny hafaliany na hanome fankasitrahana amin’ny ezaka vita.

Lynda A.